Nitondra ny heviny mahakasika ny raharaham-pirenena ny depiote voafidy tany Benenitra, Masy Célestin, omaly. Nambarany fa tsy natao hikatsahana tombontsoa manokana na tombontsoan’antoko ny andraikitra iantsorohan’ny mpitondra. Nohamafisiny fa tokony hifantoka tanteraka amin’ny tombontsoam-bahoaka izy ireo. “Manantena vokatra azo tsapain-tanana ny Malagasy. Tsy fotoan’ny andranandrana izao, fa fotoanan’ny asa hahazoana vokatra azo tsapain-tanana. Aoka mba ny tombontsoa ambonin’ny firenena no hojerena, fa tsy ny tombontsoa manokana”, hoy izy.
Nasiany tsindrim-peo ihany koa ary tsy tokony hadinoina fa avy amin’ny fitakian’ny tanora sy ny vahoaka ny fanovana, indrindra teo amin’ny sehatry ny jiro sy rano ary ny rafitra sosialy. Nanentana ny rehetra, indrindra ny mpanao politika izy, araka izany, mba hampitsahatra ny korontana. Toraka izany ny tokony hirosoana amin’ny firaisankina ho amin’ny tombontsoam-pirenena.
“Mila fitoniana sy fanohanana avy amin’ny vahoaka tsy ankanavaka ny fitondrana tarihin’ny filohan’ny Fanavaozana sy ny governemanta vaovao amin’izao”, raha ny nambarany hatrany. Miantso amin’ny fahamatorana sy fahatsiarovan-tenan’ny tsirairay koa izy.
R. Nd.




