Tsy vahaolana ny hanafoanana manontolo ny fifaninanana teo anivon’ny ENMG farany teo, araka ny nambaran’ny filohan’ny SMM, Mbintanarivo Andriantsihorisoa. Nohitsiny fa hiteraka kajikajy hisiana kolikoly indray izany. « Tokony hojerena ny tombontsoa sy ny ezaka vitan’ny tanora efa nilofo mafy nahatafita iny fifaninanana teo iny », hoy izy.
Mitaky tetikasa fampandrosoana mitovy ho an’ny faritra ny Fanilon’ny fanavaozana (FFM), sampana Mahajanga. Nambaran’izy ireo fa saro-piaro amin’ ny fikatsahana ny fivoahana amin’izao fahantrana ianan’ ny vahoaka izao izy ireo. « Miantso fiaraha-mientana hampitoviana ny tanjona ho an’ny fampandrosoana izahay », hoy izy ireo.
Ilaina fitiavan-tanindrazana ny fanavaozana ny firenena, araka ny nambaran’ny mpikambana avy eo anivon’ny MMM, Ratovonandrasana Hantanirina. Nohitsiny fa sarotra ny ho tonga amin’ny fanavaozana. « Irina mba tsy ho fanamarihana fotsiny ihany ny tahaka izao fa mba hisy vokany amin’izay », hoy izy.
Nitondra ny heviny momba ny teleferika ny mpahay toekarena eo anivon’ny Crem. Nambaran-dRandriamisata Patrick fa azo atao ny mamerina ny teleferika hiasa indray. « Hampiasana hitadiavana tombontsoa ho antsika, ary angatahana ny Frantsay hanafoana ny trosa. Fepetra maro no takina amin’ny famerenana izany », hoy izy.




