Manamafy ny fiarovana ny tontolo iainana ny orinasam-pifandraisan-davitra Orange Madagascar. Tanjona ny hamboly zana-kazo 40 000 amina faritra miisa 13, manerana ny Nosy. Natomboka ny zoma teo, tany amin’ny kaominina Masindray, ny hetsika ka nahafahana namboly zana-kazo 4 000 niaraka tamin’ny ben’ny Tanàna ao an-toerana, ny mpianatra sy ny mpampianatra ao amin’ny EPP Masindray ary ireo tomponandraikitry ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (Dredd) Analamanga. Maherin’ny 300 ireo mpiasan’ny Orange eto Antananarivo nandray anjara tamin’izany. Manodidina ny 412 kosa ireo mpandray anjara namboly zana-kazo 11 385 fototra tamin’ny taon-dasa. Amin’ity taona ity, hifanolo-tanana amin’ny Orange Madagascar, hanatratra ny vina apetrany ireo mpiara-miasa aminy maherin’ny 500 avy amina faritra samihafa.
Paikady
Ankoatra ny voly hazo, nanentana sy nampahafantatra ireo mpianatra ny anjara andraikitra sy ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny tontolo iainana ny ekipan’ny Orange Madagascar. Hetsika mifandraika indrindra amin’ny fandaharanasa “Villages Orange” izay manohana ny fanabeazana, ny fampandrosoana sy ny fanohanana ny mponina eny ifotony.
Henintsoa




