Folo taona aty aoriana: Hanao ny « Fitsiahy an’i Di… » ny Havàtsa-Upem

Alarobia 13 avrily 2016 – Alarobia 15 avrily 2026. Faha-10 taona namoizana an’i Henri Rahaingoson na i «Di…». Hanatanteraka hetsika mifandraika amin’io vanim-potoana lehibe io ny fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem. Alarobia 15 avrily, amin’ny 2 ora folakandro, ao amin’ny Lapan’ny Akademia Malagasy eny Tsimbazaza, «Fitsiahy an’i Di…».
Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny «Ny dian’i Di…», velakevitra hotontosain’i Iharilanto Patrick Andriamangatiana, filoha am-boninahitry ny Havàtsa-Upem. Ao koa ny tsangan-tononkalo nosoratan’i Di…, hoseharin’ny Havàtsa-Upem. Ny «Hariva­riva an-tanin’olona», tora-po an-tononkalon’ireo poety ta­min’ny fotoam-pamoizana.
Marihina fa filoha lefitry ny sokajy voalohany tao amin’ny Akademia Malagasy sy filoha am-boninahitry ny Havàtsa-Upem ity andrarezin’ny tontolon’ny soratra ity. Anisan’ny nahafantarana azy ny «An­drianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko», «Afafiko ny teny hanjariana ho asa soratra».
Henri Rahaingoson, na i Di… . Mpanoratra, mpampianatra, mpikaroka, tsy teo amin’ny sehatry ny firenena ihany fa tazana tany amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa. Nametraka ho zava-dehibe hatrany ny fifanakalozan-kevitra. Nikatsaka fatratra ny hitiavana sy hanajan’ny Malagasy ny teniny.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: