TARATRY ny KANTO

Hotontosaina ny 17 sy 18 avrily izao ny
« Tsapiky Festival ». Any Toliara ihany no hanaovana ity hetsika hanandratana ny tsapiky, amin’ny maha harembakoka tsy azo tsapain-tanana ho an’ny zanakolombelona azy ity. Efa saika natao tamin’ny volana ambony izany, saingy nahemotra noho ny antony maro, indrindra ny fahavoazana tany Toamasina.

« Lalan’i Madagasikara. Mandanjalanja – Mahafehy – Mahitsy ». Io ny lohatenin’ny boky nosoratan’i Rija Rakotozanakajy sy i Fenofitondrana Rakotozanakajy. Andiany faharoa izy ity, izay tahirin-kevitra sy toro hizorana amin’ny fampandrosoana, amin’ny alalan’ny filozofia 3M. Hampahafantarina voalohany ny zoma 3 avrily izao, etsy amin’ny Tranombokim­pirenena Anosy, ny boky.

« Revy araka izany ». Nampahafantarin-dRaboussa omaly fa io ny lohatenin’ny fampisehoana, izay hotontosainy ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, amin’ity taona ity. Tsy mbola navoaka ny daty, fa efa fantatra kosa fa ny SR Event no hikarakara izany. Tohin’ny famoahana ilay rakitsary vaovao tamin’ny herinandro.

Partager sur: