Mitohy ny fanarenana an’i Toamasina. Nahavita ny anjara manandrify azy ny teo anivon’ny Kaominina Ambonivohitra. Nizotra araka ny toromariky ny Filohan’ny Fanavaozana izany.
Taorian’ny fandalovan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël tany Toamasiana, nazava ny fizarana andraikitra amin’ny fanarenana ny tanàna. Efa voaray rahateo ny vola avy amin’ny mpiara-miombon’antoka. Raha tsiahivina, nisy mihitsy ny baiko nomena ny BNGRC, hanafainganana ny asa rehetra, hanampiana ny traboina.
Notsinjaraina ny asa, nisahana manokana ny famerenana ny fahadiovan’ny tanàna ny kaominina. Niandraikitra ny fampisakafoana olona 3 000 isan’andro ihany koa. Raha ny tombana vonjimaika, efa madio ny tanàna. Tsy hijanona hatreo anefa ny ezaka ataon’ny kaominina, raha ny ambetitenin’ny ben’ny Tanàna, Andriafanomezantsoa Alain. “Tsy hamela ny vahoakan’i Toamasiana hiaina anatin’ny fako sy loto izahay. Ny kaominina rahateo tsy nitsahatra nifanome tanana amin’ireo orinasa lehibe eto an-toerana. Misy ny manome kamiao sy olona, toy ny ao amin’ny Tetikasa Ambatovy, ny Spat, ny Tsaravintana. ny Mictsl, ny SMMC, ny mpandraharaha mpanao letisia maro. Madio ny tanàna noho isika rehetra”, hoy ity tomponandraikitra voalohan’ny Renivohitry ny faritra Atsinanana ity.
Tratra ny tanjona
Ankoatra ny asa fanadiovana, tratra ihany koa ny fampisakafoana olona 3 000 isan’andro, nandritra ny iray volana. Notanterahina tao amin’ny tokotany malalaky ny Lapan’ ny tanàna izany. Misy teratany vahiny miara-miasa amin’ny kaominina amin’ny fanatrarana ny tanjona. Mbola mitohy hatramin’izao ny fizarana sakafo masaka saingy efa nihena ny olona tonga mihinana. Mariky ny fiantsaran’ny fanarenana sy ny fitsinjovana ny traboina izany.
Mbola mampikaikaika ny mponina ao Toamasina ny famahana ny olan’ny herinaratra. Manampy trotraka ny tsy fahampian’ny mangaraharaha amin’ny fomba fiasan’ny sampandraharaha miahy manokana ny traboina.
Sajo




