Namoy ny ainy ny lehilahy iray nandritra ny fipoahan’ny vanja tao amin’ny toeram-pitrandrahana vato ao amin’ny fokontany Ambohidray Atsimo, kaominina Ambohimalaza, ny harivan’ny alatsinainy 30 marsa teo. Hamaky vato lehibe no tanjon’ireo mpitrandraka ireo. Talohan’ny tena fanapoahana ilay vatobe, nanao andrana manokana izy ireo ka anisany io lehilahy io. Nampiasa vatoaratra sy akora toy ny nitrate sy vanjan’afokasoka. Nametrapetraka ny paikady rehetra nanaovana ilay andrana izy ireo kanjo tsy nahomby izany. Nirefotra tampoka ka nitera-doza. Voa mafy ity lehilahy ity satria potika ny lohaliny havanana niampy ny ratra tamin’ny tratrany. Niala ny tanany havanana.
Tsiferana R.




