Namoy ny ainy rehefa tonga tao an-trano fonenany ny ankizilahy iray, 14 taona, rehefa nilaza ho voadonan’ny fiara teny Bibilava mampitohy an’Ambatobe sy Nanisana, ny sabotsy 28 marsa teo, tamin’ny 4 ora sy sasany. “Nivoaka ny trano maraina handeha hikotrana izy roa lahy ireo”, hoy ny fanazavan’ny solontenan’ny fianakaviany. Nandritra io fotoana io, nisy fiara tsy mataho-dalana iray niakatra ny lalana mihazo an’Ambatobe nandona ireo roa lahy ireo. “Nandositra avy hatrany io fiara io taorian’ny loza”, hoy ny loharanom-baovao. Vaky ny ilan’ny jiro alohan’ilay fiara tamin’io fotoana io, araka ny fitantaran’ny iray tamin’ireo roa lahy tra-doza. Nody namonjy ny trano fonenany avy hatrany ireo roa lahy taorian’io voina io. “Torana rehefa tonga tao an-trano ilay 14 taona ka nentina namonjy hopitaly”, hoy ny havan’izy mirahalahy. Nitantara ny zava-nitranga ilay rahalahiny 16 taona. Zanak’ olona mpiray tampo izy roa lahy tra-doza.
Niaraka nentina teny anivon’ny hopitaly ireo ankizilahy roa tratran’ny lozam-pifamoivoizana. “Namoy ny ainy tamin’io andron’ny sabotsy io ilay 14 taona”, araka ny fanamafisan’ny fianakaviany. Nalevina ny alatsinainy 30 marsa teo ity farany. Mivezivezy manara-maso ny fahasalamany eny anivon’ny mpitsabo kosa ilay ankizilahy 16 taona. Manao antso avo amin’ny tomponandraikitra mba hanatrarana ilay mpitondra fiara nandona ny zanany ny renin’ilay ankizilahy 14 taona. Efa nisy ny fitoriana napetrak’izy ireo eny anivon’ny polisim-pirenena saingy mbola tsy nisy loharanom-baovao voarainy momba io fiara nandona io.
Tsiferana R.




