Fitantanana an’Antananarivo Renivohitra: Ben’ny Tanàna vonjimaika Rajonson Zaratiana Finaritra

Nandray ny asa maha ben’ ny Tanàna vonjimaika azy ny lefitra voalohany ao amin’ny Kaominina Antananarivo Re­nivohitra, Rajonson Zaratiana Finaritra. Notontosaina tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Ana­lakely, omaly, ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny ben’ny Tanàna teo aloha, Ramanantsoa Harilala.
Nialoha izany, nanatrika hetsika roa samy hafa ny mpitantana teo aloha, tamin’io omaly io. Teo ny fanohanana ny fianakaviana sy ny fiarovana ny mponina. Anisan’izany ny sora-piankohonana ho an’ny boriborintany fahefatra. Natsidiny tamin’izany fa miisa 24 000 ireo kopia nahaterahana hozaraina manerana ireo boriborintany enina, miaraka amin’ny Frankofonia (OIF). « Mba hanala ireo sakana noho ny tsy fananana taratasy ara-panjakana izany », hoy izy. Tafiditra amin’ny fanohanana ireo ankohonana, indrindra ireo reny sy ireo tanora mba hipaka sy hanova ny fiainan’izy ireo izany asa izany, tsy misy ho hadino na ho voahilika izy ireny, araka ny nambarany. Hitohy ny asa efa natombony ho fanatsarana ny tanàna na tsy mitantana azy intsony aza ny tenany
Tsiahivina fa haverina ny fifidianana ben’ny Tanàna eto Antananarivo Renivohitra, araka ny didy navoakan’ny fitsarana.  Nofoanana avokoa ny vato nahalany an-dRama­nan­tsoa Harilala ka tsy ben’ny Tanànan’Antananarivo Reni­vo­hitra intsony izy, nanomboka tamin’ny nivoahan’io didy io. Nanohy ny fampandehanan-draharaha ny tenany hatramin’ny omaly, faran’ny volana marsa. Efa voaantso teny amin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly ny tenany momba ny « Raharaha Cnaps-SMGD » ary nanao fanamarinam-pahatongavana, ankoatra ny didy tsy ahafahany mivoaka an’i Madagasikara sy ny fametrahana azy eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana.

Synèse R.

Partager sur: