Hanampy an’i Madagasikara hakany amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina ny fahaiza-manaon’ny tanora. Hisy araka izany ny fihaonambe natokana hampirantiana ny zava-bita sy ny traikefa hanana ary hanamora ny fidiran’izy ireo eo amin’ny sehatry ny asa.
Tombony! Maharitra 2 800 ora isan-taona ny taramasoandro azon’i Madagasikar. Mamokatra 5 ka hatramin’ny 7 kWh/m2/isan’andro izany. Antony manosika ny FabLab EnR-out hikarakara ny « Forum des énergies solaires » izany. Hetsika ho tanterahina ny 10 sy 11 avrily, eny amin’ny QG Tanora Ankorondrano.
Hisy ny fampahafantarana ny vokatra azo amin’ny angovo azo havaozina sy fisarihana ny tanora ho liana sy hisehatra amin’izany. Ambohipihaonan’ny mpisehatra marolafy ny hetsika. « Fotoana iray hampirantiana ny zava-bitan’ny tanora entina hamaliana ny filana misy amin’izao fotoana», hoy ny filoha mpanorina ny FabLab EnR-out, Cadeau Adjamie. Haharitra roa andro ny fifampizarana traikefa sy fahaiza-manao. Hitondra ny anjara birikiny ny matihanina avy eto an-toerana sy avy any ivelany. Tanjona ny mba ho fiampitana mankany amin’ny fampiasana angovo azo havaozina ny hetsika atao.
Ankoatra izay, fanoitra stratejika ahafahana mampirobobo ny fisitrahana herinaratra, indrindra any amin’ny toerana lavitra sy tsy ampy fotodrafitrasa, ny sehatry ny angovo azo havaozina. Nisongadina nandritra ny fampahafantarana, omaly, fa mbola ny 35% ny mponina eto Madagasikara no misitraka ny angovo. Ambony izany ho an’ ny renivohitra, vitsy any amin’ny faritra ambanivohitra.
Fanamby
Hampifandray ireo mpisehatra sy mpiara-miombon’antoka samihafa ny hetsika. Hampahafantarana ihany koa ny talenta sy fahaiza-manaon’ ny tanora. Ho tetezana hampitohy ny sehatry ny fampianarana sy ny tontolon’ny asa. Hisy, araka izany, ny espace Job Dating, hanamorana ny fidiran’ny tanora eo amin’ny sehatry ny asa. Hisy ihany koa ireo hetsika hampahafantarana ny vokatra efa misy sy ny fifaninanana tetikasa ataon’ireo tanora. Manohana ity fihaonambe ity ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina.
Henintsoa




