Anisan’ny manavanana ny Groupe Prosh’ely sy ny Kaiamba tena izy ny fanafanana lanonana. Io rahateo no hoentin’izy ireo misantatra ity taona 2026 ity. Hivoaka ny Renivohitra ny “Cabaret nostalgique”.
Hifamotoana amin’ny mpankafy eny amin’ny Espace Jerosalema Imerintsiatosika ny Groupe Prosh’ely sy ny Kaiamba tena izy. Hanolotra ny “Cabaret nostalgique” izy ireo ny alin’ny zoma 3 avrily. Nomarihin’ny tomponandraikitra avy ao amin’ny Studio Apponame izay mikarakara ity vakisehatry ny taona 2026 ity fa hoventsoina eny an-toerana ny hira nanamarika ny taona 1960, 1970, 1980, 1990, sanganasan’ireo Malagasy sy vahiny mpanakanto.
Handrafitra ny fandaharam-potoana mandritra ny seho ny fivazoana ireo hira tsy tontan’ny ela sy ny taona maro mifandimby. Hanatanteraka izany ny Kaiamba tena izy. Hitohy amin’ny fanafanana ny sehatra amin’ny fandihizana ny Groupe Prosh’ely.
Anisan’ny ho tazana eny an-tsehatra ireo andrarezin’ny vazo kaiamba toa an’i Prosh’ely, Apponame, Jean kely, Ozah Jérôme, Charles Martin, Raminia Mananjary, Zozo Mananjary, Rosemonde ary i Jacky Edmé.
Nohamafisin’i Apponame fa “tsy mifidy gadon-kira lalaovina ireo tarika hanafana ny seho. Midika izany fa samy tsy hisy ho diso anjara avokoa ny sokajin-taona rehetra ho avy eny an-toerana”. Ny Studio Apponame no hitantsoroka ny fanamafisam-peo.
Aorian’Imerintsiatosika, hoentina hitety faritra ny “Cabaret nostalgique”. Tanjona ny ho fanomezana fahafaham-po ny mpankafy sy mpitia vazo kaiamba sy ny hiran’ny taona 1960 – 1990 manerana ny Nosy.
Marihina fa manana fomba fitendry gitara miavaka i Prosh’ely: avy eo anoloana, avy aoriana, eny an-tsoroka, sns. Miresaka hatrany ny gitara tendreny. Iray amin’ireo mampiavaka sy mametraka ilay feo kanto ao anatin’ny vazo kaiamba izany.
HaRy Razafindrakoto




