Foloalindahy Malagasy : Tonga ny basy sy fiara mifono vy avy any Rosia

Noraisina tamin’ny fomba ofisialy omaly, ny fitaovam-piadiana avy amin’ny Rosianina. Notanterahina teny amin’ny toby jeneraly Mounibou Ismaël eny Ivato, ny lanonana mifandraika amin’izany.

Tafiditra ao anatin’izany koa ireo fanampiana samihafa. Manamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta izany famatsiana fitaovam-piadiana sy fanomezana fanampiana izany, taorian’ny fihaonan’ny filo­han’ny Fanavaozana ny Re­poblikan’i Madagasikara ta­min’ny ny filoha rosianina, Vladimir Poutin, farany teo. Tonga nanome voninahitra ny fandraisana ireo fitaovana sy fanampiana ny filohan’ny Fa­navaozana, ny kolonely Ran­drianirina Michaël.
“Tombontsoa lehibe ho an’ny foloalindahy malagasy ny mahazo ireo harena ireo”, hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Raza­fitombo Maminirina Ely. Mba hanamafisana ny fiarovana ny sisintany sy hampanjakana ny fandriampahalemana anatiny eto Madagasikara izany.

Fifampizarana traikefa ara-miaramila

Anisan’ny fanomezana tamin’izany, ohatra, ny karazam-bala, fanamia-miaramila… Nasiany teny manokana ihany koa fa mbola mitohy hatrany ny fiaraha-miasa ara-tafika eo amin’i Madagasikara sy i Rosia. Toy izany, ohatra, ny fifampizarana fahaiza-manao sy traikefa eo amin’ny miaramila rosianina sy malagasy. Ankoatra izany, hisy koa ny fiofanana ho an’ireo tomponandraiki-panjakana ambony amin’ny fiarovana, ka misy ny hatao eto Mada­gasikara, misy any Rosia.

R. Nd.

Partager sur: