Notazomina ao amin’ny hopitaly, manaraka fitsaboana, ny 15 tamin’ireo olona 89 tratran’ny fahapoizinana ara-tsakafo tao Ambatofinandrahana, omaly. Nihinana sakafo masaka tao amin’ny fiangonana iray ao an-toerana ireo olona ireo, ny alahady 29 marsa lasa teo. Taorian’io, nanomboka nirohotra nihazo ny toeram-pitsaboana ireo olona voalaza fa nihinana « composé ». Noraisin’ny mpitsabo an-tanana ireo marary ireo ka tafakatra 89 ireo nandalo teo anivon’ny hopitaly. Nitaraina ho narary hatoka sy azon’ny fivalanana avokoa ireo olona ireo. Voatery notazomin’ny mpitsabo arahi-maso akaiky ny fahasalaman’ny 15 tamin’ireo olona lasibatra. Etsy ankilany, nalefa eto Antananarivo Renivohitra natao fitsirihana manokana io karazan-tsakafo voalaza ho nitarika ny fahavoazan’ireo olona am-polony ireo io. Andrasana ny voka-panadihadiana ataon’ny tomponandraikitra momba ity tranga ity. Tsy nisy aina nafoy.
Tsiferana R.




