Fanamboarana basy: Lehilahy roa naiditra am-ponja

Naiditra vonjimaika am-ponja, ny 31 marsa 2026 lasa teo, ireo lehilahy miisa roa, taorian’ny fampiakaran’ny fampanoavana ny raharaha teny anivon’ny fitsarana. Tompon’an­toka tamin’ny fihazonana sy fanamboarana basy vita gasy izay tsy ara-dalàna tany Atsi­montsena, Tsiroanomandidy, izy ireo. Raha tsiahivina, nahatrarana fitaovam-piadiana (ba­sy) mahery vaika maro karazana tao amin’ny tokantranon’olona iray tany an-toerana, ny 27 marsa lasa teo. Amin’ny ankapobeny, basy namboarina avokoa ny ankamaroan’ireo fitaovam-piadiana sarona ireo. Tsy nahitana taratasy ara-dalàna ireo basy rehetra hita, nandritra ny fisavana nataon’ny polisim-pirenena. Ankoatra izay, tsy nahazo alalana ihany koa ny fahafahana manamboatra ireo basy ireo. Nisy ny loharanom-baovao avy amin’ny olon-tsotra nahafahana nisambotra sy nahatrarana ireto lehilahy ireto.
Nanamafy ny polisim-pirenena fa misy lalàna sy fahazahoan-dalana arahin’ny olona mikasa ny hihazona basy. Ma­rihina fa anisan’ny manamora sy mampitombo ny asa ratsy ataon’ny jiolahy ny firongatr’izany. Entanina hatrany ny olom-pirenena tsirairay mba hitoroka eny amin’ny mpitandro filaminana raha mahatsikaritra trangan-javatra mampiahiahy. Fantatra nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy fa lehilahy iray migadra ao amin’ny fonjan’i Tsiroanomandidy no tompon’ny sasany amin’ireo basy tsy ara-dalàna sarona ireo.

Mino

Partager sur: