Hiatrehan’ny vahoaka malagasy ny fetin’ny Paka am-pilaminana, polisim-pirenena miisa 7 261 no hahetsika manerana ny Nosy, araka ny nambaran’ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena, ny Controleur général de Police Tsaramonina Ravony Jean Victor, omaly. Hisorohana ireo izay mety ho tranga tsy fandriampahalemana, hisy ireo mpitandro filaminana apetraka amin’ny toerana vory olona, toy ny eny anivon’ireo fiangonana misy ny herinandro masina. Hiparitaka eny amin’ireo toeram-pitsangantsangana maro koa izy ireo mandritra ny fetin’ny Paka sy ny alatsinain’ny Paka. Na izany aza, tsy hilefitra amin’ireo minia mandika lalàna eny anivon’ny fiarahamonina ny polisy, araka ny fanampim-panazavana. “Tanjona ny hahafahan’ny vahoaka malagasy miatrika fety am-pitoniana sy am-pilaminana”, hoy ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena. Etsy ankilany, mahatratra 2 347 ny polisim-pirenena natokana hiandraikitra ny fandrindrana ny filaminana ho an’ny faritra Analamanga, mandritra ny fankalazana io fety io
Tsiferana R.




