Niakatra fampanoavana teny anivon’ny, Fitsarana ambaratonga voalohany Anosy, ny 31 marsa teo, ny raharaha mahakasika ny fikasana hifofo ny ain’ny filohan’ny Fanavaozana, Randrianirina Michaël. Miampy fanonganam-panjakana ny vesatra hanenjehina ireo olona 13 voasaringotra tamin’izany, raha ny fanazavana nataon’ny Tonia mpampanoa lalàna ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo, Rakotoniaina Narindra Navalona, omaly. Naiditra vonjimaika am-ponja ny 11 amin’izy ireo, raha napetraka eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana kosa ny ambiny. Fikasana hifofo ny ain’ny filohan’ny Fanaovaozana, fidirana ao anatin’ny fikambanan-jiolahy, fihazonanana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalana ary firaisana tsikombokomba no hiampangana ireo rehetra ireo. Nambarany fa efa nomanina tao anatin’ny fotoana lavalava izany. «Tafiditra ao anatin’ny fikononkononana sy nanao fandaminana izany, ny kolonely Patrick Rakotomamonjy», hoy ihany izy.
Nahitana fifampiresahana tamin’ny alalan’ny SMS sy hafatra miafina tany anaty Whats App ireo voampanga rehetra ireo, raha ny fanadihadiana hatrany. Nanamafy ireo olona voarohirohy ireo fa vola mitentina 20 miliara Ariary tao anaty kaontin’izy ireo no entina hanatanterahina izany asa ratsy izany. Ankoatra izany, nanao fivoriana matetika izy ireo nahafahana nametraka ny paikady rehetra. Nisy ihany koa ny fisavana ny tranon’ny voampanga, izay nahitana volabe sy fitaovam-piadiana maro. «Anisan’ny nanamarina izany ny fisian’ny manam-boninahitra iray izay efa nidina an-dalambe ka naneho ny fahavonony hanongam-panjakana», hoy ihany izy. Mbola misy ireo mbola karohina amin’izao fotoana izao, izay efa namoahan’ny fitsarana didy fampisamborana.
Mino




