Herinandro Masina : Mitaky ny hialana amin’ny fitiavan-tena ny arseveka

Efa ao anatin’ny fanamarihana ny Herinandro masina tanteraka ny mpino kristianina amin’izao fotoana izao. Anisan’ny nitondra ny teny fampianarana momba izany ny arsevekan’Antananarivo, ny Mgr Raoelison Jean De Dieu.

Tsotra ny teny fampianarana nentiny amin’izao fiatrehana ny Herinandro masina izao. « Aoka isika ha­naiky tanteraka fa tena mpanota. Mora mirona mankany amin’ny fikatsahana ny tombontsoa feno fitiavantena isika amin’izao fotoana izao », hoy izy. Namamarika sy nankalaza ny fetin’ny olomasina, Jean De Dieu, sady mpiaro azy teny amin’ny katedraly Ando­ha­lo no nampitany izany hafatra izany. Nanteriny, tamin’izany, fa maro ireo toe-javatra mitarika antsika ho any amin’ny fitiavantena sy ny fijerena tombontsoa manokana. «Antony mahatonga hatrany ny famadihana ny namana izany ary koa ny fitsipaham-pitokisana», hoy hatrany ny fampianarana nentin’ny Arsevekan’Antananarivo. Niainga amin’ny Evanjelin’i Md Joany 13, 21 – 28 ny fa­moa­boasana nataony ary nampitainy ho an’ny olona rehetra. No­tsiahiviny fa nilaza ho tsy nahalala sy namadika an’i Jesoa Kristy ireo mpianany talohan’ny namantsihana azy tamin’ny hazo fijaliana. « Tena toetran­tsika olombelona izany ary mbola iainana amin’izao fotoana izao », hoy ihany ny Mgr Raoelison Jean De Dieu.

Fananana toetra tia fangorahana…
Manoloana izany, niantso ny mpino kristianina sy ny rehetra ny tenany mba hiaiky, indrindra amin’izao Herinan­dro masina izao, fa tena mpanota. Nentaniny, tamin’izany, koa ny tokony hananana ilay toetra tia fangorahana sy ny fanampiana ny hafa, tahaka ny nataon’i Jesoa Kristy, na eo aza ireo tsy mety ataon’ny hafa amintsika.

Synèse R.

Partager sur: