Masina Masina !

Nahoraka tanaty fahamasinana ny fankalazana ny andron’ny alakamisy masina ho an’ny mpino kristianina ho an’ny eto Madagasikara. Nanomboka ny alim-bavaka mandra-pitsangan’ilay « Mesia » amin’ny Paka. Somebiseby ny isam-piangonana satria io no ivon’ny finoana ho an’ny mpanara-dia an’i Jesoa Kristy.
Mifanindran-dalana amin’izay ho an’ny mpahay kitana sy volana, niavaka koa ny alina. Fenomanana ny volana. Mangatsakatsaka ny hazavana, namirapiratra aoka izany ny lanitra. Nety tsara ho an’ireo mpanao fanadiovana sy fanasinana mifandraika amin’izany. Tsy hoe mpanompo sampy na minomino foana akory, fa samy amin’izay inoany sy handrandrainy amin’ny fiainany.
Ankoatra ireo, nahazo vahana ny fitsidihana ny tranokalam-pifandraisana mizara tononandro. Hita taratra amin’ny kaonty Facebook ireo milaza ho mpahay tononandro na mpitaiza manatsara fiainana izany. Raha misy ny be mpitsidika sy mpankafy na maro mpanisy tamberina na « commentaires » dia izy ireny. Hita sy tsapa fa mihazakazaka ny mitady tohana ambonin’ny maha olombelona ny isam-batan’olona sy ny isam-pianakaviana.
Na eo aza anefa ny zava-panahy, tsy afaka ny atao ambanin-javatra ny maha olombelona. Fotoana tsy natao iandrasana fahagagana na mana milatsaka avy any an-danitra izao. Mitaky ezaka sy filofosana. Ny finoana tsy arahin’asa rahateo zava-poana. Tsy ampy ny mivavaka sy mandohalika fotsiny fa mila mihodina ny zanakatidoha, mitady izay hatokona ho an’ny ankohonana. Tsy ampy ny « Masina Masina » fotsiny.

r.r

Partager sur: