Fitantanan-draharaham-panjakana: Nanolotra tatitra tamin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Mediatiora

Ireo asa vita nandritra ny taom-pikatrohana 2024-2025, manasongadina ny andraikitry ny Mpiahy an-drariny ny va­hoaka na ny Mediatioran’ny Repobika amin’ny maha rohy mampifandray ny Fanjakana sy ny vahoaka azy. Izay no na­naovan’ny Mediatioran’ny Re­poblika, ny Pr Andrianaivo­tseheno Ravaka, tatitra tamin’ ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra, omaly, tao anatin’ny fitsidihana ara-pomba fifanajana. Amin’ ny alalan’ny fandraisana sy fi­tsirihana ireo fitarainan’ny olom-pirenena ary ny fanitsiana ny tsy fetezana eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana izay asa nanaovana tatitra izay. Tamin’izany ihany koa no nitaterany mazava ireo ezaka vita hampanjariana ny fanavaozana ifotony sy ireo vina hikendrena ny fahombiazan’ny asa. Izany dia mba ha­mafisana ny andraikitra sy hi­tondrana avo ny toeran’ny andrimpanjakana tarihiny eto Madagasikara sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mi­fanaraka amin’ny fenitry ny fi­tondrana tsara tantana sy ny fitsipiky ny Fanjakana tan-dalàna izay fanavaozana ifotony izay.
Tsiahivina fa araka ny voafaritry ny And. 14 amin’ny didy hitsivolana lah. 92-012, tsy maintsy manao tatitra amin’ireo andrimpanjakana ambony momba ny asa vitany sy ny zava-misy iainan’ny olom-pirenena eo anatrehan’ny raharaham-panjakana ny mpi­ahy an-drariny ny vahoaka.

R. Nd.

Partager sur: