Sehatra Ba gasy avrily 2026 : Hoentina an-tsehatra ny « Atrikefa toreo fahanginana »

Ahenoina lohahevitra maro ny hira ba gasy. Ao ny fitiavan’olon-droa, lahy sy vavy, hanina ilay tanàna nahabe, vohitra niandohana. Tsy vitsy kosa ireo maneho fahanginana sy toreo.

Hiavaka tsy tahaka ny nahazatra hatramin’izay ny lohahevitra, hiompana sy hanome sehatra kokoa ireo hira ba gasy mitoreo. Na izany aza, hisy ny lohahevitra hafa, araka ny nambaran’ny filohan’ny Se­hatra Ba gasy. Atrikefa tontosaina ny 4 avrily izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny efitrano malalaky ny trano fiantohana Aro etsy Antsahavola.
Anisan’ireo hira omanin’ireo handray anjara amin’ity atrikefa ity ny: «Nilentika re ny masoandro», «Mivalo aminao», «Dia veloma ry Said Omar», izay samy sanganasan’i Naka Rabemanantsoa avokoa. «Hangina ny kamory» (Justin Rajoro), «Aiza ny tany tsy diavim-pitia» (Andrianary Ratianarivo), «Henoy ry Da­da» (A. Ratianarivo), «Maty ilay masoandro» (Samuel Rahamefy). «Dobla sento» (Naka Rabemanantsoa), «Di­so làlana» (Andrianary Ra­tianarivo), «Lasa tokoa re» (Andrianary Ratianarivo), «R’ilay otrikafon’ny foko» (Therack), sns. Hohiraina
amin’io fotoana io ihany koa ireo hira ba gasy marobe maneho toreo fahanginana.
Ankoatra ny atrikefa, hisy hatrany ny sehatra malalaka ho an’izay te handray anjara amin’ny fihirana sy ny fiten­drena, ho fifanakalozana sy fifampizarana fahaiza-manao, ho fampivoarana sy fampivelarana ny talentan’ny tsirairay sy ny ba gasy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: