Nanodinkodina zaza : Lehilahy iray naiditra am-ponja

Notanana vonjimaika any am-ponja ny lehilahy iray tratra nanodinkodin-jaza tsy ampy taona tao amin’ny kaominina Ambositra, ny 1 avrily lasa teo. Naharay fitarainana avy amin’ny ray aman-drenin’ny ankizivavy iray mbola mpianatra eny amin’ny Lycée ao an-toerana, ny polisim-pirenena. Notazomin’io lehilahy io antsokosoko tany aminy io ankizivavy izay mbola mpianatra io. Nitebiteby hatrany ny ray aman-drenin’ilay zazavavy, noho ilay zanany izay mbola tokony ho eo ambany fanaraha-mason’izy ireo. Tetsy ankilany, niezaka nanitrika an’io ankizivavy io ilay lehilahy tompon’atoka tamin’ny fanodinkodinana. Niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana. Voa­sam­botra io olona nihazona antsokosoko ilay ankizivavy tsy ampy taona io. Nentina nihazo ny biraon’ny manam-pahefana izy ary natao famotorana. Naverina amin’ny fianakaviany ilay ankizivavy izay voalaza fa 17 taona. Tsia­hi­vina, voafaritry ny lalàna fa ny ray aman-dreny na ny mpiantoka irery ihany no tomponandraikitra voalohany amin’ny zaza latsaky ny 18 taona.

Tsiferana R.

Partager sur: