Voalaza fa hanonganam-panjakana : 20 miliara Ar nahodina tao amin’ny FSM

Nohamafisin’ny minisitry ny Fitsarana, omaly, fa tena nisy ilay fikasana hanongam-panjakana. Misy ifandraisany tamin’ilay 20 miliara Ar, voalaza fa voahodina tao amin’ny Fonds souverain Malagasy izany.

“Misy ifandraisany satria anisan’ny nikononkonina fanonganam-panjakana sy hamono ny filohan’ny Fanavaozana mivady ny mpitantana tao anatin’ny FSM, ary nampiasa ny vola tao amin’ny FSM amin’ny tsy tokony ho izy”. Io ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, i Er­naivo Fanirisoa, teny Ansoy, omaly, momba ny fikasana hanongam-panjakana sy ha­mono ny filohan’ny Fana­vaozana mivady izay misy ifandraisany amin’ny fitantanana ny Fonds souverain malaga­sy (FSM) izay nahaverezana vola 20 miliara Ar. Maromaro ny olona mbola karohina. 11 no efa voasambotra sy nampidirina am-ponja. Ny sasany mbola miafina ary mbola tadiavana. Rehefa tsy hitan’ny fitsarana ny olona iray nampanantsoina sy notadiavina, anaovana didy fampisamborana. Raha tafavoaka an’i Madagasikara izy, anaovana didy fampisamborana iraisam-pirenena.

Mitohy ny famerenana ny volam-panjakana
Mitohy ny famerenana ny volam-panjakana. Mandeha tsikelikely izany, araka ny fandehan’ny fitsarana eo an-toerana sy any ivelany. Mitombo hatrany ny habetsahan’izay vola izay, arakaraka ny fandrosoan’ny raharaha eny amin’ny fitsarana. Mitombo koa ny porofo azon’ny fitsarana. Miankina amin’ny didim-pitsarana mivoaka ny famerenana ireo vola. 4 700 000 dolara na 25 miliara Ar no efa tafaverina.
Nanao ny fianianany teny amin’ny fitsarana tampony, Anosy, omaly, ny filoha voalohan’ny fitsarana tampony, Ramanankavana Claudette Sophie. Teo koa ny filohan’ny fitsarana fandravana, Rabe­tokotany Tahina ary ny filo­han’ny Filankevi-panjakana, Andrianaina Rabarisoa. “Ha­namarinana ny fanjakana tan-dalàna voalohany indrindra ny fametrahana ireo filohan’ny fitsarana. Eo koa ny hampisehoana fa manomboka mipetraka ireo andrimpanjakana rehetra eto amin’ny tany sy ny fanjakana”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël ny amin’izany.

R. Nd.

Partager sur: