CEO Summit 2 : Hetsika ara-toekarena goavana aty amin’ny ranomasimbe Indiana

Hatao ny 9 sy 10 avrily ho avy izao, eny amin’ny Novotel Ivandry, ny fihaonambe ara-toekarena CEO Summit, karakarain’ny Becom sy ny Sen­dikan’ny indostria eto Mada­gasikara (Sim). Lohahevitra noraisina ny hoe, « foto-kevitra vaovao, vina vaovao, sahia mikaroka zava-baovao ho an’ny hoavy ». Fotoana hihaonan’ny mpisehatra ara-toekarena samihafa, ahitana mpitarika, ny mpanapa-kevitra, ny mpampiasa vola, ny orinasa tsy miankina. Tanjona ny hampifandray ny vina hampiroboroboana ny toekarena
aty amin’ny ranomasimbe In­diana. Maherin’ny 650 ny mpandray anjara, mihoatra ny 250 ny orinasa sy fikamba­nana ho hita mandritra ireo fotoana ireo. Mahatratra 20 ny atrikasa stratejika, hifanakalozan-kevitra sy hanaporofoana fa manana ny lanjany sady vovonana ara-toekarena ny CEO Summit.

Miisa 20 ny firenena ho avy, avy atsy Afrika, Eoropa, Arabo (Moyen-Orient) ary in­drindra ny aty amin’ny ranomasimbe Indiana. Maherin’ny 100 ireo hanao famelabelaran-kevitra, ahitana mpitantana orinasa, mpampiasa vola, tomponandraikim-panjakana ary manampahaizana iraisam-pirenena. Nambaran-dRako­to­malala Tantely, tomponandraikitry ny Becom, fa « hitondra fijery ara-toekarena vaovao izany, ahafahana mametraka vina iombonana, eo amin’ny fampiasam-bola, ny fiaraha-miasa ary ny fampandrosoana ».

« Agri-business »

Ho an’ny filohan’ny Sim, Rasamimanana Tiana, « en­drika iray natao hampahafantarana aty amin’ny ranomasimbe Indiana sy izao tontolo izao, fa manana ny lanjany ara-toekarena i Madagasikara ary azo hiaraha-miasa sy hiombonana antoka ».
Voakasik’ity CEO Summit ity avokoa ny seha-pihariana rehetra. Fa ny tena hasongadina ihany koa dia ny lafiny « agri-business », fandraharahana amin’ny famokarana mi­todika amin’ny tsena. Mpiara-miombon’antoka ofisialy ny Africa Dubai, banky ofisialy ny Bredd + Madaga­sikara.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: