Andravoahangy: Vary simba 13 kitapo tratra teny an-tsena

Hentitra. Manara-maso ny tsena sy ny vidin’entana, amin’ izao ankatoky ny fetin’ny Paka izao, ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana. Tratra, nandritra ny fidinana ifotony nataon’ ny minisitra Andriamadison Haingotiana sy ny ekipa mpiara-miasa aminy, omaly, teny amin’ny tsenan’Andravoa­hangy ireo vary simba 13 ki­tapo tsy azo hamidy intsony.
“Misy lena ny ampahany amin’ ireo vary, misy vary nafangaro maloto ihany koa”, hoy ny minisitra. Nandraisana fepetra avy hatrany izany noho izy mandika ny lalàna mifehy ny fiarovana ny mpanjifa.
Ankoatra izay, nahitsy hi­fanaraka amin’ny ara-drariny ihany koa ny vidin’entan’ireo mpivarotra nampitombo izany. Nasaina nametraka ny vidin’ entany ireo mpivarotra mba ho hitan’ny mpanjifa sy hanam­piana azy ireo hisafidy ary koa hisorohana ny fanararaotana hampisondrotra ny vidiny. Nilaza ny tale jeneralin’ny Varotra anatiny sy ny fanjifana fa “ho avy hijery matetika ety ny mpiara-miasa aminy, hanara-maso ny fepetra nifanara­hana”.
Ankilany, miara-miasa ny minisitera sy ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa amin’ny fanomezana vaovao raha misy tranga mampia­hiahy.

Henintsoa

Partager sur: