Andrarezin’ny soratra. Feno 100 taona i Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana. Hisy lanonana hifandraika amin’izany vanim-potoana lehibe izany eto an-dRenivohitra.
Ny alarobia 8 avrily izao, etsy amin’ny Trano Sary Ambohidahy, fankalazana ny faha-100 taona nahaterahan’i Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana. Fotoana hitokanana ilay efitrano nampitondraina ny anarany ao amin’ity toerana ity ihany koa io. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fampirantiana ny sora-piainany sy ny asasorany, izay hisokatra ho an’ny rehetra manomboka ny 9 avrily izao. Ny 22 sy ny 24 avrily, antsa tononkalo iarahana amin’ny Havàtsa-Upem. Eo ihany koa ny filalaovana angano eny an-tsehatra. Fampahafantarana ny mpanoratra amin’ireo hetsika kolontsaina mahakasika ny boky sy ny vakiboky. Fiarahan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina sy ny taranak’i Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana no ahafahana manatanteraka ity hetsika fankalazana ny faha-100 taona ity.
Andrarezin’ny asasoratra
Maro ireo karazana asasoratra nikorisan’ny penin’i Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana. Anisan’izany ny tantara foronina, tononkalo, tantara faneho an-tsehatra, angano, lahatsoratra fanehoana fotom-pisainana … Voatetiny tao anatin’ireo asasoratra ireo ny lohahevitra maro samihafa mety mitranga eo amin’ny fiarahamonina.
Nisongadina fatratra ny « Ny zanako », I sy II (Tantara), « Lavakombarika », « Salohy » (Tononkalo), « Ramose » (Tantara), « Lohataona sy Ririnina » (Tantara)…
Fankasitrahana maro no efa azony. « Sarinda », loka faharoa nomen’ny Antenimieran’ny Tanànan’Antananarivo (tononkalo taona 1960), « Salohy », amboaran-tononkalo (taona 1961)
« Fahavaratra », loka natolotr’i Akbaraly (taona 1960), « Lavakombarika », fifaninanana sombin-tantara nampanaovin’ny Fikambanana Demôkratika, « Tamberintany », loka voalohany tamin’ny fifaninanana nampanaovin’ny AEJM (taona 1961).
HaRy Razafindrakoto




