Nieren-doza ny iray tamin’ireo kambana: Telo mianaka niara-matin’ny lozam-pifamoivoizana

Nifandona teny amin’ny Digue mihazo an’Ambohitrimanjaka ny kamiao sy fiara 4*4 iray, tamin’ny sabotsy. Maty teny amin’ny hopitaly ny telo mianaka. Nivoaka ny hopitaly, nieren-doza kosa ny zaza iray telo taona.

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy amin’ny Digue Ambohitrimanjaka, ny sa­botsy lasa teo, tokony ho ta­min’ny 5 ora hariva. Olona telo mianaka tao anaty fiara 4*4 iray marika SUV (Kia Sorento) no niara-maty, nifandona tamin’ny kamiao iray mpitatitra solika.
Olona miisa efatra no tao anatin’ilay fiara 4*4. Nahitana raim-pianakaviana iray 30 taona, renim-pianakaviana 28 taona ary ny zanany kambana mirahalahy 3 taona. Nikasa ho aty Antananarivo, avy any amin’ny Rond-point Art Mala­gasy Ambohitrimanjaka, izy ireo ta­min’ny fotoana nitrangan’ny loza. Hihazo an’Andrano­ta­pahina kosa ilay fiarabe mpitatitra solika, raha ny fanazavana voaray. Mafy ny fifandonana, potika tanteraka ny lohan’ireo fiara. Vokany, naratra mafy nandritra ny loza ireo olona miisa efatra tao anatin’ny fiara tsy mataho-dalana. Tery teo amin’ny seza familiana ilay raim-pianakaviana, izay namily ny fiara. Nentina tao amin’ny hopitaly Ando­hatapenaka ireo naratra, saingy tsy tana ny ain’ireo mpivady sy ny zanany iray. Raha toa ka efa nivoaka ny hopitaly ny alahady teo ilay zaza iray sisa velona. Efa tsy misy atahorana ny ainy, raha ny fanazavana.

Natao andrimaso ny mpamilin’ilay fiarabe
Naratra kely fotsiny ny mpamilin’ilay fiarabe ary efa notazomina ao amin’ny biraon’ny zandarimariam-pirenena Talatamaty taorian’ny loza. Andrasana ao amin’ny fiangonana FJKM Fiakarana Fide­rana Ambohitrimanjaka ny ra­zana. Hotanterahina ao amin’ ny EEM Santa Paoly Andra­no­manjaka kosa ny fotoam-pivavahana hanaovana veloma farany azy ireo, ny alarobia ho avy izao, mialoha ny fandevenana any Andrano­manjaka Fieferana.
Niara-nisalahy tamin’ny fandaminana teny an-toerana ny polisy sy ny zandary miasa eny Ambohidratrimo. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny manampahefana, izay iandraiketan’ny zandarimaria Talata­maty.

Mino

Partager sur: