Anjanahary : Lohan-jaza hita tao anaty gony

Nahitana fatin-jazakely indray tetsy Anjanahary, omaly maraina. Olona handeha maraina no nahatsikaritra zavatra efa notarihin’ny alika teny amin’ny manodidina. Rehefa nojerena, lohan-jaza iray sy ny tanany ilany, niaraka tamin’ny gony, no hitan’ny fokonolona. Heverina ho efa lanin’ny alika ny tapany ambanin’io zaza io, raha ny fanazavana voaray. Nataon’ny tsy mataho-tody tao anaty gony io fatin-jaza io, natsipy tao anaty tatatra ary izao nosavoritahan’ny alika izao, raha ny fanazavan’ireo nanatri-maso. Notaritarihin’ny alika io harona io ka tavela teo afovoan-dalana, raha ny fiheveran’ireo nanatri-maso. Nampandrenesina avy hatrany ny manam-pahefana ao an-toerana. Nanao fanadihadiana ny mpitandro filaminana, taorian’izay. Tsy fantatra mazava ny reny niteraka, nahavita nanary ity zaza ity.
Tsiahivina fa mirongatra ny tranga fanarian-jaza tato ho ato. Anisan’ny nahitana fatin-jaza nisy nanary tao anaty fako ihany koa teny Ampitatafika, omaly. Nofonosin’ny nahavanon-doza bodofotsy ary mbola niaraka tamin’ny tandim-poitra ity zaza iray hafa ity no hitan’ny mponina.

Mino

Partager sur: