Ramatoa voarasa antsy teo amin’ny tendany : Olona telo naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana teny anivon’ny Fitsarana, ny zoma lasa teo, ny raharaha momba ny renim-pianakaviana iray voarasa antsy tany Ma­havoky Avaratra, kaominina Mahajanga. Olona miisa telo no voasambotry ny polisim-pirenena ary naiditra vonjimaika am-ponja, taorian’izay. Ani­san’izany ny zana-drahavavin’ilay niharam-boina, izay tompon’antoka tamin’io vono olona io. Novonoina tamin’ny antsy sy vakina tavoahangy ary mbola nokendaina ilay ra­ma­toa, raha ny fanazavana na­taon’ny Kaomisera Raharinasy Jimmy. Ankoatra izay, voarohirohy niray tsikombakomba, tamin’izany, ny sakaizan’io lehilahy io sy ny reniny, izay rahavavin’ilay renim-pianakaviana maty. Nanatri-maso ny vono olona nefa nanafina ny zava-nitranga rehetra ireo olona roa ireo, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Tsiahivina fa hita faty tao amin’ny fokontany Mahavoky Avaratra, kaominina Mahajan­ga, ny marain’ny 24 marsa lasa teo, ny vehivavy mpivarotra amin’ny toeram-pisotroana iray. Nihoson-dra sy nitsirara tamin’ny tany izy nandritra ny fahitan’ny olona ny razana. Marihina fa notaizain’ilay olona maty ireo olona nahavanon-doza ireo. Efa nisy ny disadisa teo amin’ny fianakaviana hatry ny ela saingy niafara tamin’ny fandroahana izany taty aoriana. Tsy fahazakana izany ary fikasana hanao valifaty no antony nahatonga ny vono olona. Teo koa ny fikasana hahazo ny haren’ilay renim-pianakaviana. Teo foana ireo olona nahavanon-doza ireo nandritra ny fikarakarana ny razana sy ny fandevenana. Efa maty efa ela ny vadin’ity ramatoa maty ity. Tsy manan-janaka ihany koa anefa ny tenany fony fahavelony. Nanamafy ny polisim-pirenena fa tsy vahaolana ny fandatsahana aina noho ny ady lova sy ny fikasana hahazo fari-pananana eo amin’ny fianakaviana.

Mino

Partager sur: