Kolonely Randrianirina Michaël : “Andao tsy hanaiky handevozin’ ny adilahy politika”

Koa andao hifanohana hiady amin’ny fahavalo iombonana isika dia ny fahantrana. Hametraka tanjona iraisana dia ny Fahaleovantena tena izy. Andao tsy hanaiky handevozin’ny adilahy politika.” hoy ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny vahoakan’i Fianarantsoa, ny faran’ny herinandro teo.

“Ny tenako dia resy lahatra fa tonon-taona hanavaozana sy hananganana an’i Mada­gasikara izao vanim-potoana izao. Koa andao hifanohana hiady amin’ny fahavalo iombonana isika dia ny fahantrana. Hametraka tanjona iraisana dia ny Fahaleovantena tena izy. Andao tsy hanaiky handevozin’ny adilahy politika.” Io ny kabarin’ny filohan’ny Fana­vao­zana, ny kolonely Randria­nirina Michaël, tamin’ny va­hoakan’i Fianarantsoa, tamin’ny fitsidihany tany an-toerany, ny faran’ny herinandro teo. Andao hiray fo hanorina ny tantaran’i Madagasikara, hiverina an-doharano hanamafy sy hanome hasina ny tenin-drazana sy ny soatoavina ary ny kolontsaina maha Mala­gasy. “66 taona amin’ny 26 jona ny niverenan’ny Faha­leovantenan’i Madagasikara. Nefa mbola mipetraka ny fanontaniana hoe: maninona no firenena faraidiny hatrany noho ny fahantrana?”, hoy izy.
Hafany ho an’ny tompanandraiki-panjakana any an-toerana ny fanompoana ny tanindrazana sy ny mpiray tanindrazana. Fikatsahana ny tombontsoam-pirenena izany, ho fitaratra eo amin’ny fiarahamonina, hiray hina hanafaka an’i Madagasikara amin’ny fanandevozana.
Nanolotra vary 20 taonina sy vola 20 tapitrisa Ariary ho an’ny vahoakan’i Fianaran­tsoa, ho nofon-kena mitam-pihavanana izy. Teo koa ny fanolorany bokin-tany 1 028 ho an’ny velaran-tany 774 ha ho fiarovana ny vahoaka amin’ny hala-tany. Nisy ny fitokanana ny ivontoeram-panofanana ho mpitsabo mpanampy ao Tambohobe, ny fanolorana moto 35 ho an’ny distrika fito ao Matsiatra Ambony. Nambarany ny ha­naovana ivontoerana fanadiovan-dra sy fanaovana “scanner” isaky ny renivohi-paritany, ny ivontoerana voalohany hitsaboana ny homamia­dana… Teo ny fitsidihany an’Ankily, Ihosy, nanolorana fanampiana ho an’ny EPP sy ny fikambanam-behivavy ao an-toerana.

R. Nd.

Partager sur: