Fanodinkodinam-bola FSM : Olona enina nidoboka eny Tsiafahy

Olona folo sy orinasa enina no voarohirohy amin’ny raharaha fanodinkodinam-bolam-panjakana teo anivon’ny Fonds souverain malagasy (FSM), araka ny tatitry ny tendrom-pitsarana iadiana amin’ny kolikoly (Pac), Antanana­rivo, sy ny minisiteran’ny Fitsarana, ny faran’ny herinandro teo. Nampangaina ho nanao fanararaotam-pahefana izy ireo. Teo koa ny fanomezana tombondahiny manokana, fanodinkodinam-bolam-panjakana, famotsiam-bola sy fahazoana tombontsoa manokana ary firaisana tsikombakomba. Rehefa nandalo mpi­tsara mpanao famotorana ny valo tamin’izy ireo: dimy nampidirina vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, iray nampidirina eny amin’ny fonjan’Antanimora, ary roa eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana.
Na mbola tsy tafatsangana aza ny filankevi-pitantanan’ny FSM, maromaro ny fikirakirana sy famoaham-bola nataon’ny tale jeneraly mpisolo toerana tsy nanaraka ny paikady voatondron’ny lalàna mifehy ny FSM. Hita izanty tamin’ny fividianana fiara roa tamin’ireo orinasa mpivarotra fiara mitetina 12,83 tapitrisa Ar, ny famoaham-bola 15 tapitrisa Euros ho an’ny orinasa lehibe iray, ny fampindramam-bola 5 miliara Ar ho an’ny orinasa iray tsy voamarina mazava ny antony. Teo koa ny fividianana fitaovam-piasana amin’ny birao mitotaly 116, 47 tapitrisa Ar, ny fividianana fiaran’ny tale jeneraly manokana efatra, mitetina 495 tapitrisa Ar, mi­soratra amin’ny tale jeneraly mpisolo toerana sy ny fianakaviany izay fiara efa simba avokoa.
Nisy famoaham-bola mam­piahiahy mitotaly 19,44 miliara Ar nataon’ny tale jeneraly mpisolo toeran’ny FSM, izay voatendry tamin’ny 27 janoary 2026, teo anelanelan’ny 13 febroary-12 marsa 2026. Mitohy ny famotorana…

R. Nd.

Partager sur: