FANTINA sy FINTINA

Nanoina ny antso avo nataon’ny minisitry ny Raharaham-bahiny teo aloha, Razanamahasoa Christine, ny vahoakan’i Fianarantsoa ka tonga marobe nanatrika ny fitsidihan’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël, tany an-toerana, ny herinandro teo. «Nangirifiry ny tsindry nataon’ny fitondrana teo aloha koa tongava isika», hoy izy.
Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny mpahay lalàna, Clement Jaona. Nam­barany fa tokony hiandry ny fanapahan-kevitra tapaka amin’ny fikaonandoham-pirenena ny fepetra horaisana momba ny fandravana na tsia ny Antenimieram­pirenena. Tsiahivina fa anisan’ny nitaky izany ireo andiana tanora, tamin’ny herinandro lasa teo.
Hatao eny amin’ny CCI Ivato, ny 14 avrily izao, ny fikaonandohan’ny tanora, araka ny nambaran’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Ra­sambany Alain Desiré. Nanteriny fa hoavy ny fakan-kevitra isam-paritra ka haravona izany ho lasa fehin-kevitra. «Hatolotra ny fikaonandoham-pirenena izany», hoy izy.
Anisan’ireo any am-ponja ny tale jeneralin’ny Tahirimbola «Fonds souverain», araka ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa, ny herinandro teo, tetsy Anosy. «Voarohirohy io jeneraly misotro ronono io noho ny fikasany hanodina ny vola ampiasaina hifofoana ny ain’ny filoham-panjakana», hoy izy.

Partager sur: