Tsy miova ny vidin-tsolika mandritra ity volana ity raha toa ka niandry fiakaran’izany avokoa ny ankamaroan’ny mpanjifa. Izany hoe, mbola 4 900 Ar ny litatry ny lasantsy (Super Carburant SP 95). Vidiana 3 510 Ar/ litatra ihany koa ny solika fandrehitra (Pétrole lampant) ary mijanona ho 4 660 Ar ny litatry ny gazoala (Go), araka ny tarehimarika navoakan’ny Ofisy malagasy misahana ny Akoranafo (OMH). Ankilany, heverina hiakatra izany amin’ny volana manaraka noho ny zava-misy maneran-tany, indrindra ny ady ao Iran. Eo ihany koa ny fiakaran’ny vidin’ny baril izay mampiakatra ny vidin-tsolika maneran-tany. Tsiahivina fa miova isam-bolana, eo anelanelan’ny voalohany sy ny faha-5 ny volana, ny vidin-tsolika eto Madagasikara. Voafetra ho 200 Ar ny fiakarana na fidinana mihatra amin’izany, araka ny fifanarahana nataon’i Madagasikara tamin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Marihina fa fototra mampihodina ny toekarena ny solika, noho izy miantoka ny famokaran’ny orinasa sy indostria. Indrindra koa ireo orinasa madinika sy salantsalany izay miankindoha tanteraka amin’ny fampiasana izany.
Henintsoa




