Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, latsaky ny 19 taona, lahy sy vavy, taranja Volley-ball. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny sokajy vehivavy ny ekipan’ny MVBC Boeny, rehefa nandavo ny GNVB Analamanga, tamin’ny seta 3 no ho 1. Azo lazaina ho nahavita nandavo ny andrarezina ny MVBC tamin’ity satria ny ekipa tompon’anaram-boninahitra no lavony. Niady ny lalao teo amin’ny roa tonta ary nifandanja tanteraka. Teo amin’ny sokajy lehilahy kosa, norombahin’ny ASI ny amboara nanoloana ny ekipan’ny GNVB, ka seta 3 no ho 0 no nisarahan’ny roa tonta.Ho an’ny lalao fiadian-toerana kosa, nanao pao-droa ny ekipan’ny Bi’As. Norombahiny ny laharana fahatelo teo amin’ny sokajy lahy sy vavy. Nizotra araka ny tokony ho izy ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara latsaky ny 19 taona tamin’ity. Ekipa 12 no nifanandrina nandritra izany.
Mi.Raz




