Ben’ny Tanànan’i Tsarasaotra-Ambositra: Arahi-maso ara-pitsarana, taorian’ny savorovoro

Niakatra fampanoavana tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Ambositra, arahi-maso ara-pitsarana ny ben’ny Tanàna ao Tsarasaotra, taorian’ny savorovoro nataon’ireo mpomba azy, omaly.

Niditra an-tsehatra nandamina ny savorovoro nataon’ny fokonolona tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Ambositra ireo mpitandro filaminana taorian’ny didy nivoaka fa hampidirina vonjimaika am-ponja ny ben’ny Tanàna an’i Tsara­saotra, omaly talata 7 avrily. Nitokona teo ivelan’ny fitsarana, nilanja sorabaventy ireo mponina sasantsasany avy amin’io kaominina Tsara­sao­tra izay iandraiketan’ilay ben’ny Tanàna voatazona io. Nitaky ny hamotsorana azy sy manohitra ny fanenjehana atao amin’io olom-boafidy io ireo mponina. Etsy ankilany, manao ny asa amin’ny fampanarahan-dalàna ny tomponandraikitry ny fitsarana ao an-toerana manoloana ity tranga ity. “Nisy nitrongy tamin’ny milina ny tanin’ny Diosezy Katolika ao Imanitra, kaominina Tsarasaotra. Notapahina ny hazo kanefa tsy nahazo alalana ireo olona ireo”, hoy ny loharanom-baovao avy amin’ny tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Ambositra. Nametraka fitoriana momba io tranga io ny mpiandraikitra ny tany lasibatra, ny 16 febroary lasa teo. Voatonona ho tompon’antoka voalohany tamin’izany ny ben’ny Tanàna ao an-toerana.
Indroa nampanantsoina
Nampantsoin’ny tomponandraikitra io ben’ny Tanàna io ny 16 marsa fa hiakatra fampanoavana. Tsy namaly izany ny tenany, araka ny loharanom-baovao. Namerina nampahafantatra azy indray ny mpitandro filaminana ny 24 marsa fa hotanterahina ny 26 marsa io fampanoavana io. Tsy namaly hatrany ny ben’ny Tanàna ka niroso tamin’ny fisamboarana azy ny manam-pahefana, ny alahady 5 avrily teo. Natolotra ny fampanoavana omaly izy ka arahi-maso ara-pitsarana taorian’ny fanampahan-kevitra faharoa nataon’ny mpitsara mpanao famotorana. Andrasana ny tohin’ny raharaha.

Tsiferana R.

Partager sur: