Anisan’ny nambaran’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, tany Fianarantsoa, ny herinandro teo, ny momba ny fialana amin’ny vahiny sy ny mpanjanaka. Nitondra ny heviny ny izy ary nanamafy izany ireo miaramila sasany.
Nambarany fa misy mampirisika ny hialana amin’izy ireo nefa mbola Malagasy koa no avy eo karamain’ny vahiny hanaratsy ny mpitondra. Noraisiny ho ohatra koa ny fanaratsiana ny miaramila rosianina, manofana ny tafika malagasy. « Betsaka ny tsikera sy fanakianana momba izany. Mbola ny Malagasy ihany koa anefa no karamainy hanakorontana sy hilaza fa tsy mety io », hoy izy.
Tsy mifanalavitra amin’izany ny fanehoan-kevitr’ireo miaramila sasany. Niteraka fahasorenana sy tsy fahafaliana ho an’ny eo anivon’ny Tafika ny fanehoan-kevitra niseholany tato ho ato momba azy ireo. Anisan’izany ny nambaran’ny Jly Ramakavelo Desiré tamin’ny haino aman-jery, ny herinandro teo. Nambaran’ny loharanom-baovao eo anivon’ny miaramila fa raisina ho fampiadiana azy ireo amin’ny lehiben’ny Etamazaoro, ny Jly Pikulas Démosthène, izany. Indrindra amin’ny resaka fiaraha-miasa sy fifandraisana ami-dry zareo Rosianina.
Milamina
Nambaran’ny loharanom-baovao hatrany fa efa ela no nampiasan’ny tafika malagasy fitaovana rosianina. « Teo koa ireo fiofanana samihafa avy any ivelany ary tsy misy idiran’ny resaka tsindry mihitsy izany », raha ny loharanom-baovao. Nohamafisin’izy ireo fa milamina tanteraka ny eo anivon’ny fitandroana ny filaminana, matoa mbola naverina amin’ny toerany ny ankamaroan’ireo tomponandraikitra ambony eo amin’izy ireo.
Ny loharanom-baovao hatrany no milaza fa tsy tokony hitsabaka amin’ny raharaha miaramila intsony ny Jly Ramakavelo Désiré, indrindra fa efa nisafidy ny lalan’ny sivily ny tenany, sady efa misotro ronono rahateo.
Tsiahivina fa anisan’ny fanehoan-kevitra nataon’ity manamboninahitra jeneraly teo aloha ity ny antso avo nataony ho an’ny tafika malagasy mba hanana hambom-po manoloana ny fakan’ireo lehiben’Andrimpanjakana teratany vahiny ho mpiambina azy ireo.
Synèse R.




