Hotanterahina ny 10 avrily ho avy izao ny fifidianana izay ho solontenan’ny Holafitry ny mpanao gazety eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana na Ceni. Fito no nandefa antontan-taratasy. Enina no nahazo ny fankatoavana. Efa vita rahateo ny antsapaka mahakasika ny filaharan’izy ireo anatin’ny lisitra isafidianana. Mitondra ny laharana voalohany i Marc Antoine Klimchand; faharoa Rakotoarisoa Anitra; fahatelo Rabekijana Félix. Ramiliantarintsoa Tojo no fahefatra, mitondra ny laharana fahadimy Rakotonirina Gérard, ary farany, laharana fahenina Randrianindrina Zoelson.
Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, teny Ambohidahy izy ireo, omaly.
Amin’ny alalan’ny SMS no hanatanterahana ny fifidianana, izay mbola hampahafantarina ny mpifidy ny laharana handefasana ny safidy. Miisa 42 ny mpifidy, anisan’ny kandidà ny iray ka lasa 41 izany. Solontena efatra avy amin’ny filohan’ny OJM teo aloha ny mpifidy, fito avy amin’ny mpikambana ao amin’ny CT OJM nasionaly, enina avy amin’ny komitim-paritra, 24 mpandrindra isam-paritra.
Manana roa andro hanomana horonantsary hanaovana fampielezan-kevitra kosa ireo kandidà tsirairay avy. Hanomboka anio izany, ary hifarana rahampitso hariva.
R. Nd.




