Niara-nifety tamin’ny vahoakan’Ihosy ny Filoham-panjakana mivady, ny alatsinain’ny Paka teo. Nanolotra 40 tapitrisa Ar, nofon-kena mitam-pihavanana sy omby 10 hafa ho fanampiana ara-tsakafo izy mivady. Teo koa ny vary 25 kg sy kojakoja (PPN) ho an’ny tokantrano miisa 1 500. Nisitraka fitaovam-pianarana koa ny EPP Centre II ao Ihosy.
Misy mitady hamily lalana ny tolona, araka ny nambaran’ireo tanora ao amin’ny faritra Amoron’i Mania, ny herinandro teo. Nohitsin’izy ireo fa misy ny mpanao politika mialokaloka amin’ny fitondrana. « Miketrika ny tomboantsoany manokana ka mametraka olona amin’ireo toerana stratejika rehetra. Aoka ho mailo ny Filoha », hoy izy ireo.
Niala tsy ho sekretera jeneralin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI), Razafindravahy Edgard. Efa voarain’ ny filankevitry ny minisitra ao amin’ny COI, ny zoma lasa teo, ny taratasy fametraham-pialany. Mifandray amin’izao toe-draharaha politika eto amin’ny firenena izao ny fialany, araka ny loharanom-baovao.
Nirary soa ho an’ny vahoaka ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, noho ny fetin’ny Paka. Nambarany fa lehibe ny fitiavan’Andriamanitra. Manangana ny lavo, manarina ny rava ary manasitrana ny ratram-po, araka ny nambarany. « Miray fo aminareo aho na lavitra aza. Tsapako ny iainanareo ka apetratsika eo amin’ny Tompo izany », hoy izy.




