Tsenan’ny vola : Mivoaka ny « courbe des taux » ho an’ny Ariary

Navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) tamin’ny fomba ofisialy ny “courbe des taux de référence” ho an’ny Ariary, nandritra ny lanonana natao teny Antaninarenina. Nanamafy izany ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa tamin’ireo banky enina mpandray anjara.

“Ny courbe des taux dia mampiseho ny rafitry ny tahan’ny zanabola amin’ny fifanakalozana eo amin’ny banky amin’ny fotoana fohy, arakaraka ny faharetan’ny trosa”, hoy ny fanazavan’ny lefitra voalohan’ny Governoran’ny BFM, Rabe­a­rivony Niaina, omaly. Namba­rany ihany koa fa “tsy misy antoka ireo fifanakalozana, ary misy taha roa ampiasaina. Ny BID ho an’ny mpindrana ary ny ASK ho an’ny mpampindrana”. Ha­nomboka ny 5 mey ny dingana andrana ary haharitra enim-bolana. Banky enina no mandray anjara amin’ity dingana voalohany ity. Ahitana ny Bred Madagasi­kara Ban­que populaire, Bank of Africa Madagascar, BNI Madagas­car, BMOI Groupe BCP, ny MCB Madagascar ary ny AFG Bank Madagascar. “Hisy maturités na durée de vie d’un prêt ou d’un emprunt ampiasain’ny banky amin’izany toy ny hoe iray andro, roa andro, herinandro, iray volana ary telo volana” araka ny nambaran’ny talen’ny fampiharana ny politika ara-bola ao amin’ny BFM, Rajaonarivelo Henri. Fototra hanombanana sy hamaritana ny sandan’ny fifanakalozana ara-bola io courbe io, raha ny fanazavany hatrany.
Fanapahan-kevitra
Isan’andro, manome ny tahany ireo banky mpandray an­jara, eo anelanelan’ny 10 ora sy 11 ora maraina, ary avoaka amin’ny 11 ora sy 15 minitra iza­ny taha izany. Ity rafitra ity dia hanamora ny fanapahan-ke­vitra ara-bola sy hanatsara ny mangarahara amin’ny famatsiam-bola, raha ny fanazavana voaray. An­koatra izay, heverina hanampy amin’ny fanombanana ny fivoaran’ny harinkarena sy hampitomboana ny karazana tolotra ara-bola vaovao eto amin’ny firenena ity fitaovana vaovao ity.

Henintsoa

Partager sur: