Vita sonia ny herinandro teo ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny kaompania Madagascar Airlines sy ny Ewa Air. Fiaraha-miasa mifantoka amin’ny fizarana “codeshare” izay ahafahan’ny kaompania malagasy mivarotra ny sidina tantanin’ny Ewa Air amin’ny code MD. Tanjona ny hanitarana ny tambajotra ana habakabaka ka hampifandray an’i Mayotte amin’Antananarivo, Antsiranana, Mahajanga ary Nosy Be. Ahafahana ihany koa mampitohy ny zotram-pitaterana eto Antananarivo, Antsiranana, Mahajanga Nosy Be mankany Moroni, amin’ny alalan’i Mayotte. “Dingana lehibe ity fiaraha-miasa ity noho izy hanamafy ny fifandraisana aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Manohana ihany koa ny fiverenan’ny Ewa Air eto Antananarivo, sehatra stratejika ho an’ny fivoaran’ny kaompania”, hoy ny tale jeneralin’ny Ewa Air, i Drissa Samake.
“Manamafy ny fanirian’ny kaompania hanatsara ny fifandraisana isam-paritra sy hitrandrahana ireo loharanon-karena ananan’ny orinasa ity fifanaraham-piaraha-miasa atao amin’ny Ewa Air ity” hoy ny talen’ny varotra eo anivon’ny Madagascar Airlines, Andrianony Karl. Araka izany, hampitombo ny kalitaon’ny tolotra homena ny mpanjifa ny fiaraha-miasa atao. Mba hahafahana misitraka sidina mandeha amina faritra maro amin’ny alalana tapakila tokana. Manohana ny fivoarana maharitra sy manamafy ny toerana amin’ny maha mpisehatra lehibe eo amin’ny fitaterana ana habakabaka aty amin’ny ranomasimbe Indianina ity dingana vita ity, raha ny fanazavana hatrany. Marihina fa efa niverina nanomboka ny herinandro teo ny sidina ana habakabaka mampitohy an’i Dzaoudzi sy Antananarivo, ataon’ny kaompania Ewa Air. Indroa isan-kerinandro ny sidina atao ary hampitomboina intelo izany mandritra ny vanim-potoana maha betsaka ny mpandeha.
Henintsoa




