« Star Tour 2026 »: Mbola mitoetra ny lazan’ny Paka Antsirabe

Tsy sakana ny jiro tapaka sy ny orana nisesy. Rakotra olona Antsirabe nandritra ny hefarana, nanatrika ny « Star Tour ».

120 000 mahery. Izay ny tomban’ny mpikarakara raha nanontaniana mahakasika ny isan’ireo olona nifety nandritra ny « Star Tour 2026 » teto An­tsirabe. Porofo io fa mbola mitoetra hatrany ny lazan’ny fetin’ny Paka eto Antsirabe. Mitoetra ihany koa ny maha hetsika lehibe ny « Star Tour », indrindra ny fanokafana azy eto an-dRenivohitr’i Vakinan­karatra. Ny zoma lasa teo, efa nampiditra ny fety ny teny amin’ny Espace préssion, toeram-pialamboly iray anisan’ny be mpankafy rehefa « Star Tour » tahaka izao.
Ny sabotsy kosa no na­nomboka ny andiam-pampisehoana goavana, nanoloana ny Gara, ka nisantatra izany i Lion Hill. Niarahany tamin’ny mpijery avokoa ireo hira malaza. Mora kokoa tamin’i L Jo ny niakatra an-tsehatra tao­rian’izay, satria efa nafana ireo mpijery, na dia nikija aza ny orana ny tolakandro.
Efa andrasan’ny mpankafy hatrany i Samoëla, ao An­tsi­rabe. Izy no nanafana ny se­hatra ny alahady, ary toa ny efa fotoam-bita ny azy sy ireo mpijery. Somary nangatsiatsiaka kosa izy ireo nialoha izay, raha niakatra ny tarika Jack Dad. Ireto farany anefa tena niezaka nizara ny kanto ankafizin’ny tanora, narahina soradihy miavaka.
Ny alahady tolakandro ny seho faradoboka, izay niakaran’ny tarika ‘Zay. Sambany ho an’ity tarika izay hankalaza ny faha-30 taonany an-tsehatra ity ny fandraisany anjara amin’ ny « Star Tour », kanefa azo antoka fa tsy farany izany. Ry Arione Joy kosa no nanakatona ny fampisehoana tamin’ity.
Tsy fampisehoana mozika fotsiny fa anisan’ny mampiavaka ny hetsika ireo lalao, fifaninanana dihy arahina fam­pihomehezana, fanaon-dry Barhone sy Eric Fou Hehy. Nanan-danja hatrany koa ny fampandihizana nafanain’ireo mpikosoka kapila malaza ao an-toerana, toa an’i Nicki Di Manu sy Dj Jim, nampian-dry Looping sy Three T, efa zatra ny hetsika.
Tratra ny tanjona tamin’ny « Star Tour » voalohany tamin’ ity 2026 ity. Tsy sakana tamin’ ny hetsika ny jiro tapaka nandritra ny andro maromaro teto Antsirabe, satria dia nandeha tamin’ny « groupe électrogène » hatrany hatramin’izay ny « Star Tour ». Eto Antananarivo in­dray ny manaraka, ny volana jona izao.

Zo ny Aina

Partager sur: