TARATRY ny KANTO

Omena sehatra ny rehetra. Tranga tsy fahita firy eo amin’ny tontolon’ny fiantsana tononkalo ny fanomezana sehatra hisokatra ho an’ny rehetra. « Rakotr’ainga, rakitr’ ainga », na ilay antsa malalaka hotanterahina anio, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny efitrano Dox, tranombokim-pirenena Anosy. Entanin’ny Faribolana San­dratra manokana ireo tanora te haneho ny talentany. Ny fotoana tahaka izao, rahateo, no iray amin’ireo hametra­han’izy ireny ny fangitra ahafahany mandrefy ny ezaka mbola hataony.

Fiverenana eny an-doharano mampitaintaina. Ireo manana ny ambilombazan’ny fahalalana momba ny raokandro, mitonona avy hatrany fa mpitsabo. Ireo mahita rirany amin’ny lafin-tany sy ny vintana, mirehaka ho mpanandro. Ireo mitafy lamba eny an-danonana, miebo fa izy ihany no mahafantatra ny momba ny kolontsaina malagasy… Tranga anisan’ny mampanahy fatratra, satria, ilay fahalalana kely dia kely fa ny anaram-boninahitra manaka-danitra.

Tsy mitsaha-midina ny fahalalan’ny Malagasy eo amin’ny tontolon’ny kolontsaina. Ny mahafan­tatra, tsy maneho ny heviny. Ireo tsy mahay, mitompo teny fantatra… Hany ka mibirioka any amin’ny tsy izy ny « zavatra ». Tononkira tsy misy fotony (fototra) nanjary tsy afaka eny am-bavan’ny Malagasy. Dihy mamoa­fady, ankatoavin’ny fiarahamonina ka omeny laka… Matetika aza, ireo miteny sy manitsy indray no mahazo tsiny.

Partager sur: