Namoy ny ainy noho ny fisotroana toaka diso tafahoatra niaraka tamin’ny vadiny ny renim-pianakaviana iray, omaly. Maty voadakan’ny vehivavy iray, saika hitoriany fitiavana kosa ny lehilahy iray afakomaly. Trangam-piarahamonina niseho tao Toamasina ireo.
Namoy ny ainy rehefa nodakan’ny vehivavy iray teo amin’ny faritra saropady ambanin’ny kibony, ny lehilahy iray tao amin’ny fokontany Tanamborozano 22/22, Carreau laharana fahadimy, kaominina Toamasina, omaly maraina. Vao mangiran-dratsy, nandalo tamin’ny lalana amin’ny tanànan’i Morafeno ilay lehilahy. Nifanena tamin’ny vehivavy iray efa ampy taona izy ka nikasa hifampiresaka taminy. “Niantso io vehivavy io izy ary nikasa hifampiresaka”, hoy ny fanazavana avy amin’ny fianakavian’ilay lehilahy. Tsy nanaiky hifampiresaka nefa ilay vehivavy ary nivadika ho tsy fifankahazoana izany. Nodakan’ilay vehivavy tampoka anefa ilay lehilahy. Voa tao amin’ny ankasarotany ity farany ka nitsirara tamin’ny tany. Nanatona hopitaly, omaly, noho ny fahavoazany ilay niharan’ny vono. Nitarika tamin’ ny famoizany aina izany. Nandositra ilay vehivavy taorian’io tranga io, araka ny loharanom-baovao.
Nifanditra
Avy nisotrosotro tao amin’ ny trano fandihizana tao Morafeno io lehilahy io, ny alin’ny alatsinain’ny Paka lasa teo. Nivoaka ny toeram-pisotroana izy ka niresaka tamin’ilay vehivavy, ny marain’ny talata 7 avrily tamin’ny 4 ora maraina. Tsy nanaiky hiresaka anefa ity farany ka nivadika ho fifandirana teo amin’ny roa tonta izany. Namaly daka avy hatrany ilay vehivavy kanjo nifatratra tamin’ny faritry ny mahalehilahin’ilay nikasa hiresaka taminy. Manoloana ny tranga, ahin’ireo mpanara-baovao ao an-toerana ho vokatry ny hatairan’ilay vehivavy tampoka no nitarika ny fidarohany an’io lehilahy io. Nametraka fitarainana ary mitaky ny hikarohana ilay vehivavy namono nahafaty, ny fianakavian’ny maty.
Sajo/Tsiferana R.




