Niara-nisotro zava-pisotro misy alikaola ny mpivady vao tany amin’ny fokontany Dépôt, kaominina Toamasina. Nisotro toaka izy ireo nandritra ny fankalazana ny Paka sy ny Alatsinain’ny Paka lasa teo. Vokany, namoy ny ainy noho ny tsy fahazakana sy ny fahabetsahan’ny tahan’ny alikaola tao anatiny ilay ramatoa 40 taona. Torana tsy mahatsiaro tena kosa ilay rangahy 48 taona. Efa samy nitsirara tamin’ny tany avokoa izy roa, ny alarobia maraina, no hitan’ny olona. Nianjera avy eny ambony seza nipetrahany ilay ramatoa ary nidaraboka tamin’ny tany, raha ny fahitan’ny fokonolona azy. Notsindrian’ ny seza iray kosa ilay rangahy. Tsy nisy nahatsiaro tena izy roa. Novonjen’ny fokonolona, nentina tany amin’ny hopitaly Be Analankininina izy ireo, saingy tsy tana teny an-dalana ny ain’ilay ramatoa. Mbola manaraka fitsaboana ilay rangahy vadiny. Vokatry ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola diso tafahoatra, nefa ny sakafo tsy ampy, ny antony nahatonga izany, raha ny fanazavan’ny mpitsabo. Ankoatra izay, 98 ny isan’ny olona nanao fizaham-pahasalamana tao an-toerana. 48 tamin’ireo tsy maintsy naiditra hopitaly. Olona iray naratra vokatry ny lozam-pifampivoizana. Valo ny olona naratra noho ny ady sy ny tsatok’antsy.
Sajo/Mino




