Nisoloky vola an-tapitrisa : Fito mianadahy naiditra am-ponja

Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana Anosy, notanana vonjimaika any am-ponja avokoa ireo olona fito voasaringotra tamin’ny asa fisolokiana tao Manjakaray, ny talata 7 avrily teo. Naharay fitarainana momba ny fisiana tambajotra misoloky entan’olona, toy ny voamaina sy vary amin-taonina ny polisim-pirenena. Avo lenta tanteraka ny fomba hangalan’ireo mpisoloky ny entana avy amin’ny mpamongady. “Mikirakira ny tambajotran-tserasera ireo olona ireo. Manatanteraka fifanarahana ara-barotra sy mody manome vola kely atao antoka izy ireo amin’izany”, hoy ny loharanom-baovao avy amin’ny polisim-pirenena. Mampiasa karapanondro hosoka sy manofa tranon’olona, miampy fiara, ireo mpisoloky mba hisian’ny fitokisana avy amin’ny tompon’entana alainy. Tafaroboka, noho izany, ireo mpivarotra noho izy ireo maniry hahazo ny vola ka lasan’ireo mpisoloky ny entana mitetina an-tapitrisa. Tsy mipoitra intsony anefa ireo mpisoloky aorian’izay. Very maina ny entana nalainy satria tsy nisy miverina ny vola tambiny. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana taorian’ny fitoriana nataon’ny lasibatra. Tokantrano iray teny Manjakaray no nahatrarana ireo mpisoloky miisa fito mianadahy ireo, ny 31 marsa lasa teo. Mpamerin-keloka ny iray tamin’ireo olona voasambotra. “Vehivavy ny telo ary lehilahy ny efatra”, hoy ny fanazavana avy amin’ny polisy nanao ny fanadihadiana. Natolotra ny fampanoavana ny raharaha ka niaraka notazonina eny amin’ny fonjan’Antanimora avokoa izy fito mianadahy.

Tsiferana R.

Partager sur: