Nahatratra 150 tapitrisa Ariary ny fatiantoka noho ny fahamaizan’ny tsena sasany ao amin’ny Pochard, afakomaly. Niainga tao amin’ny Box 5 ny afo. Niitatra haingana be izany ka nahazo ireo tsena manodidina azy.
Ramatoa iray sahabo ho 40 taona namoy ny ainy teny an-dalana nitondrana azy ho any amin’ny hopitaly Manara-penitra Ambohimangakely afakomaly. Hitan’ny fokonolona natory teny amoron’arabe izy. Nomena sakafo sy rano fa tsy nety nihinana. Novonjena tany amin’ny hopitaly, saingy tsy tana ny ainy.
Hita omaly ny fatin’ilay vehivavy iray anisan’ny nalentiky ny ranomasina tany Andaboy Toliara, ny sabotsy lasa teo. Avy ao Mahavatsy, nikasa hihazo an’i Soalara Atsimo izy sy ny olona efatra hafa, saingy niharan-doza. Efa hita avokoa ny efatra niaraka taminy. Tonga naka ny razana ny fianakaviany.
Vehivavy iray 25 taona, hita faty teny Tanjombato, omaly. Nirahin’ny mpampiasa azy hanatitra vola izy tamin’ny sabotsy. Tsy hita popoka izy nanomboka teo. Efa natao ny fikarohana rehetra saingy izao hita faty izao, raha ny fanazavana voaray. Marihina fa miasa an-tranon’olona aty Antananarivo izy.




