Nandray fitaovana informatika avy amin’ny Pnud ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, omaly, teny Ambohitsirohitra. Tamin’izany, nisy hafatra nampitainy tamin’ireo mpiasam-panjakana.
«Takina amintsika mpiasam-panjakana ny fomba fiasa sy fisainana vaovao. Fitantanana miorina amin’ny fahombiazana sy ny mangaraharaha ary ny tamberin’andraikitra ahitam-bokany ho an’ny vahoaka ny fanavaozana», hoy izy. Tsy vitan’ny kabary izany fanavaozana izany, hoy izy. Tanterahina amin’ny alalan’ny asa mivaingana sy fanatsarana fomba fiasa, amin’ny alalan’ny hetsika tahaka izao, araka ny nambarany hatrany. Nanteriny fa tafiditra ao anatin’ny fanavaozana ny fomba fiasa ny fanatsarana ny fitaovan’ny mpiasam-bahoaka. «Fomba mahomby hiverenan’ny fitokisan’ny vahoaka ny Andrimpanjakana izany ary mitondra koa amin’ny fomba fiasa manaraka ny toetrandro», hoy izy. Niaiky ny filoham-panjakana fa tena tsy mbola ampy ny fitaovana sy ny fahaiza-manao teknika eo amin’ireo sampandraharaham-panjakana ka mampitarazoka ny asa. Efa vahaolana izao fampitaovana izao, araka ny nambarany.
Kihon-dalana lalovan’ny firenena izao
Nanambara kosa ny solontena maharitry ny Firenena mikambana, Anthony Ngororano, fa manamafy ny finiavan’ny Pnud hanohana sy hanolo-tanana izao fampitaovana izao, indrindra amin’izao kihon-dalana lalovan’ny firenena izao.
Tsiahivina fa ahitana ordinatera, tablette, imprimantes, scanners, onduleurs… izany fitaovana izany. Anisan’ny hisitraka azy ireo ny sampandraharaha maro eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana, ny Primatiora, ny minisitera, ny Enam sy ireo Andrimpanjakana hafa ary ny fitantanan-draharaham-panjakana. Tafiditra amin’ny tetikasa fanamorana ny fanohanana ara-teknika iarahan’ny fitondrana sy ny Pnud izany. Natao hanamafisana ny fahaiza-manao sy hanafainganana ny asa amin’ny alalan’ny niomerika ihany koa.
Synèse R.




