“Manohana ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, ny antoko RPSD. Na izany aza, tsy mety ny mametraka fepetra henjana hoe fe-potoana 72 ora. Ny azo eritreretina: tokony hohafainganina ny fikaonandoham-pirenana.” Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko RPSD, Andriantsizehena Benja Urbain, omaly, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Ny fikaonandoham-pirenena ihany no mamaritra ny zavatra rehetra na inona na inona miseho. Amin’ny tolo-kevitra nataon’ny antoko, eo anivon’ny Komity fanorenana ifotony an’i Madaga¬sikara (Kfim): ao anatin’izay fiatrehana ny fikaonandoham-pirenena izay ny fandravana ny andrimpanjakana rehetra. Tokony hatao mazava ny fiatrehana izany ary hatao malaky.
Momba ny lalàmpanorenana sy ny lalàm-pifidianana, voalaza ao anatin’izay ny amin’ny fokontany: inona ny rafitra hipetraka hatrany ifotony? Miankina amin’ny fikaonandoham-pirenena ny zava-drehetra. Izay no mahatonga an-dry zareo miteny hoe: aleo hafainganina izay, hahazoana miala amin’ny krizy misy eto amin’ny firenena amin’izao. Rehefa mipetraka ny fepetra apetraky ny fikaonandoham-pirenena: arakaraka izay fanapahan-kevitra amin’izay no hametrahana ny lehibem-pokontany vaovao. Tokony hatrany ifotony ny hanaovana fifidianana. Manaraka an’izay, tsy tokony hisy intsony ny hoe tsy miankina na mahaleo tena. Tokony hirotsaka amin’ny anaran’ny antoko politika avokoa izay mirotsa-kofidina.
R. Nd.




