FANTINA sy FINTINA

Manana ambim-bava mitentina roa miliara Ariary mahery ny kaominina Mahajanga I. Nivoitra izany nandritra ny fandinihana ny kaontim-pitantanana “Compte administratif 2025». Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny tetibolan’ny kaominina ho an’ny taona 2026 ny fampitomboana ny tamberin’andraikitra amin’ny fanorenana fotodrafitrasa.
Tokony hatsahatra amin’ny asany ny Ceni mandra-pivoakan’ny fanapahan-kevitry ny fikaonandoham-pirenena, araka ny nambaran’ny depiote Rajerison Antoine. Notakiny koa ny hifidianana ny sefo fokontany. «Hisorohana ny kajy politika hametrahana olona, fa indrindra hahafantarana ny olana ifotony», hoy ihany izy.
Diso toerana ny fangatahan’ny ben’ny Tanàna ny amin’ny zo tsy azo anenjehana azy ireo «immunité», araka ny fanehoan-kevitry ny mpamakafaka politika, Rakotonirina Nantenaina. «Mety hampitombo ny fanararaotam-pahefana ny fanomezana azy ireo izany, ka tsy vahaolana amin’ny fitantanana ny kaominina», hoy izy.
Voatendry ho sekretera jeneralin’ny COI, ny Dr Ibrahim Norbert Richard, araka ny tapaky ny filankevitry ny minisitra natao ny 7 avrily teo. Handimby toerana an-dRazafindravahy Edgard, nisahana izany teo aloha, ny tenany. Tsiahivina fa nanolotra azy amin’izany andraikitra izany ny fitondram-panjakana malagasy.

Partager sur: