Famatsiana solika : Ampy ny tahiry eto Madagasikara

Manana tahirin-tsolika hatramin’ny 21 avrily i Madagasikara saingy mikorontana ny fitsinjarana ka mahatonga ireo tobin-tsolika manana tahiry na tsia. Mitohy ny famatsiana ary andrasana ho tonga amin’ny herinandro ny sambo mpitatitra solika manaraka.

«Misy ny solika saingy mila alamina ny fitsinjarana azy». Nivoitra izany nandritra ny valandresaka nataon’ny tale jeneralin’ny Ofisy malagasy misahana ny akoranafo (OMH), Raveloson Cydolain sy ny tale jeneralin’ny orinasa Jirama, ny jly Rasolomanana Hajatiana, omaly, teny Ampan­­drianomby. “Misy ny solika, misy ny lasantsy eto amintsika. Ny olana dia ny fitsinjarana, io no ezahina ha­tsaraina », hoy ny fanazavana voaray.
Andrasana ho tonga amin’ ny 13 avrily ny sambo mpitatitra solika ho an’i Madaga­si­kara ary telo herinandro aorian’izay ny andiany manaraka, raha ny fampahafantarana nataon’ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Rabeari­manana Radonirina Lucas. Mitohy isan’andro ny fama­tsiana eny anivon’ireo mpitahiry sy ny fitsinjarana eny amin’ ny tobin-tsolika ary azo antoka ny famatsiana. Ankilany, nilaza ny tale jeneralin’ny Jirama fa tsy misy fiantraikany amin’ny famokarana ny zava-misy amin’izao fotoana. « Ampy ny tahirin-tsoliky ny Jirama ha­mo­karana herinaratra sy hiatrehana ny maintany », raha ny fanazavany. Miainga avy amin’ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny solika avokoa ny 60% ny famokarana ary tsy misy atahorana ny fiantraikany.

Hamehana
Niteraka korontana eny anivon’ny mpanjifa ny fidirana amin’ny hamehana ara-angovo noraisin’ny fanjakana. Nilaha­rana avokoa ny tobin-tsolika teto an-dRenivohitra, lany ny lasantsy ho an’ireo toby sasany. Vokany misy manararaotra mampiakatra ny vidin-tsolika sahady ireo mpaninjara madinika sy any amin’ny faritra.
Ankilany, nilaza ny fanjakana fa ambany lavitra no ho ny vidiny tena izy ny vidin-tsolika amin’izao fotoana. Maha­tratra hatrany amin’ny 1 500 miliara Ar ny elanelam-bidy na hampakarina aza ny vidin-tsolika eto amintsika. Antony na­najanonana ny rafitra (mécanisme d’ajustement de prix) hisorohana ny fiantraikany amin’ny mpanjifa. Nilaza ny minisitra fa hisy ny kajy ara-toekarena sy ara-teknika iarahana amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena hamaritana ny vidin-tsolika. Notsindriny ma­nokana fa vidina 1 750 dolara/ taonina ny solika afaran’i Ma­dagasikara (Prix Fob) ary 6 065Ar/ litatra (hors TVA) izany raha hamidy eto amintsika. Tsy hahatratra ny vidin-tsolika tena izy i Madagasi­kara raha hampihatra ny fiakarana 200Ar isam-bolana.

Henintsoa

Partager sur: