Fampandrosoana ny toekarena: Mifameno i Madagasikara sy Maraoka

Firenena matanjaka, ma­nana maodely ara-toekarena azon’i Madagasikara hiara-miasa i Maraoka. Antony na­hatonga ny Antenimieran’ny Varotra sy ny indostria eto Antananarivo (CCIA) niantso azy mandritra ny « Salon de la créativité Voatra, andiany faha-12.
« Manana tombony sy traikefa ary fahaiza-manao avo lenta i Maraoka, mifameno amin’i Madagasikara », hoy ny filohan’ny CCIA, Razafin­tsalama Gil. Nambarany fa tosika ho an’ny fandraharahana malagasy sy hampiakarana ny fampahafantarana azy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny hetsika hatao. Vonona hanome tanana antsika rahateo i Maraoka amin’ny sehatra mahaliana azy. Tanjo­na ny hampiroborobo ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny roa tonta sy hijerena ireo soa fanararaotra amin’ny fampiasam-bola eto an-toerana.

Malalaka
Ankilany, manodidina ny 18 tapitrisa dolara ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy Maraoka. Misongadina kokoa ny vokatra aondrana, izay misanda hatrany amin’ny 15 tapitrisa dolara raha toa ka manodidina ny 11 tapitrisa dolara ny entana afarantsika avy any an-toerana. Mbola vitsy ny sehatra hiarahan’ny roa tonta miasa, toy ny banky sy ny tolotra niomerika. Tombony ho an’i Madagasika­ra ny hitadiavana fiaraha-mi­asa amin’i Maraoka hampandrosoana ny fandraharahana sy ny toekarem-pirenena. Tsiahivina fa firenena vahiny mandritra ny Salon de la créativité Voatra izay hatao ny 17 sy 18 aprily, eny amin’ny Novotel Ivandry, i Maraoka.

Henintsoa

Partager sur: